26/10/2026
FISAORANA
Nifarana ny andiany voalohany, natao teto amin'ny varavaran'i Atsimo, teto , ny 23, 24 ary 25 Oktobra 2026, nomena ny anarana .
Izahay komity mpikarakara dia maneho fisaorana mitafotafo anareo rehetra, nitoto nahafotsy, nahandro nahamasaka, izao fihaonam-be ara-koltoraly sy ara-panatanjan-tena teto Ihosy izao:
Ny Ambanivolo nanome tànana, ny an-drova tsy niraviravy tànana, ireo Mpianatra eny Andrainjato Fianarantsoa sy Maninday Toliara nitàn-tsoroka, ireo mpanakanto nanome endrika manokana ny fety, na ireo efa kalaza, na ireo vao misandratra, ireo mpanao Fanatanjahan-tena, moto cross, scooter, foot, basket ball, hand ball, cyclisme, pétanque, athlètisme, ireo nasaina nanohina ny antso, ireo tapaka sy namana ary Fianakaviana nanome Voninahitra.
Ifonana aminareo ny tsy fahatomombanana Tompoko. Voalohany izao. Manome toky izahay fa hanatsara hatrany.
Ary isaorana mitafotafo ny fahatsoram-po nanananareo nanohana anay tsy nisy fe-petra.
Deraina ihany koa ny fahendren'ny tanoran'Ihosy, nihisa, nifety, am-pifaliana, tsy nisy koronta. Na ny Ambanivolo, na ny Androva.
Tsy izahay no nivoaka ho tompon'ny fahombiazana, fa isika rehetra zanak'ity Faritra IBARA midadasika ity.
Hamaranana azy dia nisafidy ity sary ity izahay ho marikin'ny nofinofinay fahiny, efa ho roa na telo taona izay.
Toy ny hazakazaka bisikaleta ny fiainan'ity Ibara Festival mahatehotia ity : fikirizana, fahasahiana, tsy mijery havia, havanana fa mijery agnabo, atety, miasa, mitsemboka, manome ny fara-hery. Izay ilay .
Tanora paré, hitondra hevi-baovao, fanovàna, Firaisankina, fiaraha-mientana, fitiavan-tanindrazana.
Mitohy ny dia. 🤝
Laha tsy isika, da ia koa?
🙏🙏🙏