31/01/2026
Nindramiko kely
🇲🇬🙏MARIAZY ny SABOTSY lasa teo teny ByPass: Nisy mpangalatra
Hoy i Arsen Animateur: Nanapakevitra izy mivady fa nosavaina daholo izay handao ny lanonana fa nanjavona hoy ireto traiteur ny vilia sy sotro sy forsety maro. Ny nampalahelo hoy ianareo? Tena nisy tratra dia nolazaina fa hoe ny ankizy no nanasitrika azy.
Ry nasaina hajaina: hainareo ve fa rehefa tapitra ny fety ka izy mivady no mandoa izay very na vaky na simba taorian ny lanonana? Ekena hoe mety misy ny tampoka sy indro kely fa kosa raha fahazarana foana ity mangalatra isaky ny fety ity dia mahamenatra. Aoka re tompoko o, aoka re fa mba matoa ianao nasainy dia tiany izay. Dia fangalarana ve setrin'ilay izy?
Ampitiavana re!