02/06/2026
❗Fitsipika mila apetraka❗
Averina aminareo fa ny fomba fanaovana calcul surface dia côté x côté. Ohatra:
Longueur 4m x largeur 4m: manome 16m² izany. Sns sns
5m x 4m manome 20m². 6mx6m : 36m²
10m x 8m: 80m² sns sns
Table de multiplication t@ primaire izany
Ilay tantara nampalaelo vao aingana:
Niantso ilay madama ka nanontany ny mombamomba ilay haingo petatany. Navaliko azy ny andinindininy rehetra, ny vidiny par mètre carré sy ny fandehan´ny commande. Ilay izy moa tsy eto Tana no atao fa any @ faritra ka nazavaina azy ny fomba fanao rehefa tsy apetaka sur place
- Niteny refy 4m de long x 4m de large ilay ho atao
- Nolazaiko azy hoe 16m² x ny vidiny izany no manao azy
- Eny ary hoy izy fa miverina miantso
- Niantso izy afaka kelikely niteny hoe 16m2 ahoana hoy izy fa 4m² izany satria 4m ny longueur, 4m ny largeur.
-Nazavaiko azy fa ny calcul surface dia longueur multiplié @ largeur. Manome 4x4m = 16m²
-Tsy izany hoy izy fa 4+4m = 4m²
-Tsy addition hoy aho fa multiplication ny fanaovana calcul surface: 4x4m
-Teo @ zay izy no nitabataba fa " Ianareo Merina ambaniandro itony tena mpamitaka tsy vanona mintsy, atr@ oviana no nisy an izany fa ianareo tsy misy ilavana azy" sady notapahany ny appel, najanony ny commande
-Noho ny afaka kelikely dia namerina niantso ka lehilahy no niresaka. Niala tsiny izy fa diso ilay madama, nohamarininy t@ ilay lehilahy ilay refy ka izaho no nanana ny marina t@ calcul surface. Niangavy izy mba anaovana ilay commande fa nolaviko satria tena nandona ahy Merina loatra ilay famingavingàna natao ahy, na dia nanana ny marina aho.
✅ mahaiza re Tompoko isany atoro hoe calcul surface dia multiplication longueur X largeur fa tsy addition (+)
✅ @ sehatra arak´asa na eo @ fiaraha-monina manontolo mihitsy dia fadio tena fadio ny mampiditra resaka fihaviana io, fanavakavahana fa tsy mety
Izaho miara-miasa @ olona rehetra, n´aiza n´aiza ny fihaviany fa raha lazaina kosa fa izahay Merina dia izao na izao, tena tsy minamana isika ary ajanona avy atrany ny fiaraha-miasa fa ny vola tsy angidy
Tena naharary ahy ilay teny/ ompa natao tamiko ka tsy maintsy noresahana fa ialàna tsiny raha manafitohana