25/09/2024
Nividividy fotsiny, kay tsara 🔥
Andao lancer-tsika eto amin'ny page ity concept iray ity.
Iza amintsika ireo tia mividividy zavatra na dia tsy voatery oe ilaina be aza ? Izaho anisany. 😆
Ka ho zaraiko aminareo eto @ page ara ireo zavatra sendra novidiko, nahataitaitra ahy ny ividy azy kanefa tsy dia tena oe ilaiko be tamin'ny fotoana nividianana azy.
Anisa'izany ity Eye Liner ray ity. Sendra nandalo tao aminy Tana Water Front, nisy ilay boutique oe Uniquement vous.
10 000 ar fotsiny nividianako azy, Eye Liner semi-permanent.
Efa ho 3 mois izay aho no nampiasa azy ka ny tena itiavako azy dia tsy mora miala izy, tsy mi-coule ary ny tena important be amiko tsy sarotra esorina. Tsy dia tena tiako loatra ilay midilotra maso be rehefa manao démaquillage amin'ny ariva.
Dia ity ray ty tena nety tamiko satria tsy sarotra esorina anefa tsy miala mandritry ny tontolo andro.
Ilay embout manify, tsy mifotetaka be rehefa manositra azy.
Validé ☑️
Misy mascara ihany koa novidiko niaraka taminy, ho zaraiko aminareo amin'ny publication manaraka ny avis-ako momba azy.
Efa nisy nividy zavatra tao ve ianareo ?