25/04/2025
Fanotaniana matetika mipetraka hoe inona ilay levure ampiasaina amin'io recette io. Ity misy fampianarana kely tonga dia ahafahanao mamantatra avy hatrany hoe inona no levure ho ampiasainao?
Levure boulangère
➡️ Inona moa izany?
Ny levure boulangère dia zava-maniry velona atao hoe Saccharomyces cerevisiae. Mihinana ny siramamy ao anaty paty izy ary mamoaka gazy (CO2), izay mahatonga ny paty hiakatra.
➡️ Karazany misy :
Fraîche: amin'ny endrika cube (tokony hotehirizina ao anaty vata frigo)
Sèche: amin'ny endrika voany maina kely (maharitra ela kokoa). Ity ilay amin'ny sachet kely ireny.
➡️ Fampiasana :
Ampiasaina amin'ny recette mila fotoana hiakaran'ny paty izy io. Ohatra : M**o gasy, M**o dipaina, Brioche, Pizza, Mokary, pain au lait.
➡️ Torohevitra :
Mba hiasan'ny levure, dia tokony afangaro amin'ny rano matimaty kely ary avela hilona 5 hatramin'ny 10 minitra. Ho hitanao somary mandrotra izy dia midika izany fa mety tsara! Amin'ny temps de repos ko dia tsara raha atao amin'ny toerana mafanafana mba hitombo tsara (akain'ny four, na fatana na fonosana serviette, ...)
Levure chimique:
➡️ Inona moa izany?
Ny levure chimique dia fangaro misy bicarbonate sy acide alimentaire. Tsy misy zavamananaina velona ao anatiny. Miakatra izy raha vao atao anaty rano ary indrindra rehefa tratry ny hafanana.
➡️ Fampiasana :
Tena mety amin'ny recette haingana izy io, tsy mila temps de repos. Ohatra :
Gateaux au yaourt
Cake mamy na masira
Madeleine
Beignets, donut
Pancakes, gauffres
➡️ Torohevitra :
Afangaro amin'ny paty, ary atao anaty lafaoro na menaka mamay avy hatrany mba hitombo tsara.
Afaka atao anaty frigo vetivety ihany ko alohan'izay mba hampisy "choc thermique" (fifandonan'ny mafana sy mangatsika) izay tena mampitombo azy (ohatra cake tiana hibontsina eo ampivoany).
Samihafa ny fiasan'ny levure roa ireto : miankina amin'ilay pate tiana ho azo no ampiasana azy fa raha fintinina dia raha te ahazo karazana m**o (misy atiny sy mibontina be dia levure boulangère) raha pate tiana hitombo fotsiny tsy miova ho m**o ny tsirony levure chimique.
Raha mila fitaovana hanaovana azy:
- Mesurette famarana
- Airfryer mety hanendasana sy mahasolo four
- Mixeur sy fouet
- Poèle hanendasana
- Fatana
- Gauffrier
https://www.facebook.com/share/p/19AFcYzqgQ/
Raha mila fampianarana recette :
✍️TSIAMBARATELONY FANAMBOARANA PATE FEUILLETEE 👇
https://www.facebook.com/share/p/1Atnee7ncS/
✍️Raha te hianatra sakafo maraina malagasy 👇
https://www.facebook.com/share/p/19yUCK79t8/
✍️Raha hanao commande recette na fitaovana na hanao location mariage dia numéro tokana ny ahazoana any ato andakozia
☎️ 038 52 314 53