Yen sol event's

Yen sol event's Régalez-vous avec notre service traiteur d'exception !

19/06/2026

Salama daholo

Mieritreritra laoka zao ianao io
De miteny oe inona ndray re no atao e

Aza misahirana
Ity misy menu tsotra kely, sahaza ny rehetra.

👉 Trondro endasina +légumes sautés

Akora ilaina :

Trondro
Karaoty
Haricot vert
Laisoa

(Afaka tonga de mividy an'ilay voakaraka eny an-tsena)

Aza adino ny tongolo Gasy 😉

Rehefa izay, dia endaso mitokana ny Trondro

Karakarao manokana ihany koa ny légume

Zay de vita ny Chocolat 😜

Mazotoa ary

⚠️ Aza adino fa manao service traiteur izahay

16/06/2026

Mirary soa ho an'ny ankizy kely hanala fanadinana CEPE androany

Conseil kely ho an 'ny Ray aman-dreny.
Efa fantatrareo ny sakafo tena mba tian'izy ireo.
De mba asio an' izay aloha ny laoka androany.

Mirary soa rankizy 🙏

10/06/2026

Salama daholo 👋

Mety mbola eo am-pikarakarana sakafo ianao izao…

na mbola mieritreritra hoe: “inona indray no ho atao laoka androany?” 🤔
nefa efa amin’ny 10h30 sahady ny ora.

Aza misahirana be intsony

Ity misy menu tsotra, nefa aingana sady matsiro :

Trondro endasina, avy eo asina saosy kely
Ampiarahana amin'ny lasary votabia
De manao ro matsatso

Zay de vita

Matsiro ery
Enoko sahady ny fofony, manitra be 😊

Mazotoa ary mikarakara
De aza adino fa manao service traiteur izahay

06/06/2026

Nangina ela izahay
Eny tokoa, tsy hita intsony izahay
Dia mety nieritreritra ianareo oe '' Tsy miasa intsony izy ireo ? ''

Eny, tena marina
Nangina ny pejy

Saingy indraindray, rehefa varina miatrika ny fiainana isika, dia misy zavatra tsy maitsy ampandeferina.

Ary izay no nitranga

Raha nangina ny teto @ pejy,
Dia teny an kianja kosa, teny ambony latabatra no nanangananay fahatsiarovana

Nisy fianakaviana niaraka nankalaza fotoana mamy, niray latabatra.

Satria aminay tsy sakafo na décoration fotsiny no atolotray

Fa fotoana mamy tsy hay hadinoina.

Ary izay no manosika anay hizara indray eto amin'ny pejy:

Ireo idée sakafo rehefa lany hevitra ianareo

Ireo astuce kely hanamora ny fikarakarana ao andakozia

Ary indrindra ireo tolotra service traiteur sy décoration efa nahafantaranareo anay

Ka raha mbola eto ianao androany manaraka ny pejy, de MISAOTRA, MANKASITRAKA ary Tongasoa indray ❤️

Ka izao
Lazao anay ary aloha oe :

👉 Inona ilay sakafo tian'ny ankohonanao indrindra rehefa miara-misakafo ianareo ?

25/02/2026

Salama daholo

Tsy hoe adino akoury ianareo fa henjikenjika ny rythme.

Ndao ary fa hanao fizarana kely isika androany

Ny laoka anio ary :

👉 Ananambo sy hena omby matavy

Atao rony izy io, ary asio angivy kely

Zay ary aloha fa mandehana miatsena e

PS : aza adino fa efa mandray réservation izahay ho anareo hikarakara lanonana

Mazotoa ary 😊

Address

Lot II E 58 RBA Ampanotokana Mahazo
Antananarivo
101

Telephone

+261330476174

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Yen sol event's posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to Yen sol event's:

Shortcuts

Share