SMK Obus School SHOW

SMK Obus School SHOW "SMK Obus School SHOW" est un évènement dédié aux élèves de SMK Obus School 'S.O.S'

16/09/2026

✔️ 13.09.2026

Des élèves de x x et lors du Spectacle de Clôture des Cours de Vacances.

🧠 x


- &
- &

©️WORK IT COMPANY

03/07/2026

18/06/2026

😎 SMK OBUS SCHOOL SHOW ✔
🏦 PALAIS DES SPORTS - MAHAMASINA (15 JUIN 2025)

☝️ Anisan’ireo fotoana tena nanamarika ny SMK OBUS SCHOOL SHOW tao amin’ny Palais des Sports Mahamasina ny fiakaran’i "Mandresy Jboys" niaraka tamin’ny "The Jackson Boys Mada" teny an-tsehatra.
🤩 Tsy vitan’izay fa niaraka nandihy tamin’izy ireo ihany koa ny SMK OBUS - NXG, nandritra ireo hira maro naseho tamin’io andro io, anisan’izany ity hira hita amin’ny vidéo ity: “Remember The Time”, izay hira malazan’i Michael Jackson.

😱🎤 Tena nankafizin’ny mpijery ny seho satria nahavariana ny fitovizan’i Mandresy Jackson amin’i Michael Jackson na eo amin’ny endrika, ny fihetsika eny an-tsehatra, ary indrindra ny feony. Ny tena nahasarika ny maro dia satria tsy playback an'i Michael Jackson no nataony, fa tena mihira mivantana eo ambony sehatra izy, ka vao mainka nahavariana ny rehetra tao an-toerana.

🤝 Fiaraha-miasa iray nahafinaritra sy nampiseho fa rehefa mifangaro ny talenta, ny fitiavana ny mozika ary ny fahaiza-manao eny an-tsehatra, dia miteraka seho tsy hay hadinoina. Mankasitraka manokana an’i Mandresy Jackson sy The Jackson Boys Mada izahay tamin’ity fiaraha-miasa nahafinaritra ity.

✨ Ary ianao, raha teo an-toerana, azo antoka fa isan’ireo fotoana tsy ho adinonao tamin’iny seho iny ity seho ity

📝 Misokatra ny fisoratana anarana ho an'ireo izay maniry ny hianatra na hampiditra ny zanany ato aminay.
📲💻 Manasa anao ary ihiditra MP avy hatrany na Whatsapp ao amin'ny 034 05 101 70
© WORK It Company I Manakoako
Lien Youtube : https://youtu.be/yD2wAtjDFz8

09/06/2026

😎 SMK Obus School SHOW ✔
🏦 PALAIS DES SPORTS - MAHAMASINA (15 JUIN 2025)

☝️ Na dia sekoly mampianatra ny aza ny SMK OBUS SCHOOL, dia mahafehy sy afaka mampiseho karazana dihy maro samihafa ihany koa ireo mpianatray rehefa tonga ny fotoana hanaovana seho sy fampisehoana.

🤩 Tamin’ity fotoana ity dia niara-nandihy tamin’i Rebecca ireo mpianatra avy amin’ireo salle samihafa, ka isan'ireo seho nahafinaritra sy nahafaly ny rehetra.

🥰 Faly ireo ankizy teny an-tsehatra, ary nifindra tamin’ireo mpijery izany hafaliana izany. Niaraka nandihy sy nihira ny rehetra ka tena nafana tanteraka ny sehatra.🔥

📝 Misokatra ny fisoratana anarana ho an'ireo izay maniry ny hianatra na hampiditra ny zanany ato aminay.
📲💻 Manasa anao ary ihiditra MP avy hatrany na Whatsapp ao amin'ny 034 05 101 70

© WORK It Company I Manakoako

Lien Youtube : https://youtu.be/nFZhNc00dh4

03/06/2026

😎 SMK Obus School SHOW - 2025 ✔
🏦 PALAIS DES SPORTS - MAHAMASINA (15 JUIN 2025)

** SMK Obus School 'S.O.S' - Ecole de Danse Urbaine **

🔴 Tena niavaka ity hetsika ity satria samy nahazo fahafahana niaina nofinofy ny ankamaroan'ireo ankizy, na ny kely na ny lehibe, tamin'ny fiakarana an-tsehatra sy ny fiarahana tamin'ny mpanakanto malaza. Ho an'ny maro tamin'izy ireo dia fahatsiarovana sarobidy hitondra aingam-panahy mandritra ny androm-piainany izany

🙏 Mankasitraka ny Ray aman-dReny rehetra noho ny fitokisana sy ny fanohanana tsy tapaka omenareo ny zanakareo sy ny sekoly. Ireo tsiky, hafaliana ary fahombiazana hita teny an-tsehatra dia vokatry ny fiaraha-mientan'ny rehetra.
Misaotra ihany koa ireo mpiara-miasa sy ny ekipa rehetra izay nandray anjara tamin'ny fanomanana sy fanatanterahana ity hetsika lehibe ity.

😎 Ary farany, fisaorana feno fankasitrahana no atolotra an'i izay nanaiky niara-niasa tamin'ny sekoly, nizara fotoana sarobidy tamin'ireo mpianatra ary nanome azy ireo fahafahana niakatra an-tsehatra niaraka taminy. Nampisy tsiky sy fahatsiarovana tsy ho voafafa tao am-pon'ny ankizy maro izany.

🥰 Ny hafalian'ireo ankizy no valisoa lehibe indrindra ho anay.

📝 Misokatra ny fisoratana anarana ho an'ireo izay maniry ny hianatra na hampiditra ny zanany ato aminay.
📲💻 Manasa anao ary ihiditra MP avy hatrany na Whatsapp ao amin'ny 034 05 101 70

© WORK It Company I Manakoako

Lien Youtube : https://www.youtube.com/watch?v=VwjaDzuCepc

02/06/2026

😎 SMK OBUS SCHOOL SHOW 2025 ✔

⭕ Ity seho ity no iray amin'ireo fotoana tsy hay hadinoina indrindra nandritra ny SMK OBUS SCHOOL SHOW, izay notanterahina tao amin'ny PALAIS DES SPORTS Mahamasina ny 15 Jona 2025.

🤩 Ny tena nanome lanja sy nahatonga azy ho miavaka dia tsy no natao fa avy amin'ny faritra maro eto Madagasikara. Ao ihany koa ny fahitana ireo mpianatra rehetra izay miisa 367 niara-nandray anjara teo an-tsehatra, nanomboka tamin'ny zandriny indrindra ka hatramin'ny zokiny indrindra. Fotoana iray nampiseho firaisankina, fahavononana ary fitiavana ny zavakanto izany.

💪 Tsy mora ny lalana nodiavina. Fohy ny fotoana niarahana nikotrana ary sarotra ny nampifanaraka ireo mpianatra rehetra. Kanefa, rehefa tonga ny fotoana lehibe, samy nanao izay farany vitany ny tsirairay. Hita teo amin'ny sehatra ny ezaka, ny faharetana ary ny fo natolotry ny mpianatra rehetra, ka nahatonga ilay fampisehoana ho tena nahafinaritra sy nampihetsi-po.

🔥 Ity hetsika tao amin'ny PALAIS DES SPORTS ity no hetsika lehibe indrindra nokarakarain'ny sekoly hatramin'izay. Mihoatra noho ny fampisehoana tsotra anefa izy io; mariky ny fitokisana sy ny fanohanana nomen'ireo Ray aman-dReny, ireo mpiara-miasa ary ireo rehetra nino sy niara-nisalahy tamin'ny dian'ny SMK Obus School.

🙏 Koa fisaorana lehibe sy avy amin'ny fo no atolotra anareo rehetra. Ny fahombiazan'ity hetsika ity dia vokatry ny fiaraha-mientana sy ny fanohanana tsy nitsahatra avy aminareo. ❤️
Ary fisaorana manokana ho an'i NJAKATIANA izay nanaiky niara-niasa tamin'ny sekoly tamin'ity hetsika ity.

📝 Misokatra ny fisoratana anarana ho an'ireo izay maniry ny hianatra na hampiditra ny zanany ato aminay.
📲💻 Manasa anao ary ihiditra MP avy hatrany na Whatsapp ao amin'ny 034 05 101 70

- &
- &

© WORK It Company I

Lien Youtube : https://www.youtube.com/watch?v=lJdeKL7LuRY

17/03/2026

🔥 Voici la version intégrale de “SAKAY BE TSY MIPOKA” de MADMAX, interprétée en live lors du SMK Obus School SHOW à CCI IVATO, le 26 Janvier 2025.

🤩 Un moment exceptionnel où nos élèves ont eu la chance de monter sur scène et danser à ses côtés, dans une ambiance survoltée avec plein d’énergie.

😎 À chaque édition de notre GRAND SPECTACLE, nous invitons des artistes stars pour faire vibrer la scène et offrir à nos élèves une opportunité unique de partager des instants inoubliables avec des artistes reconnus et vivre l’expérience d’un vrai show. ✨

😎 Le prochain GRAND SPECTACLE arrive bientôt.
📲💻 Restez connecter.
📝 VENEZ VITE VOUS INSCRIRE OU INSCRIRE VOS ENFANTS à nos Cours de DANSE URBAINE.

- &
- &

© WORK It Company

Lien Youtube : https://youtu.be/yc7htFVD93s

Address

Antananarivo
101

Telephone

+261340510170

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when SMK Obus School SHOW posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to SMK Obus School SHOW:

Shortcuts

Share