14/09/2026
Nakarina avy any ambanivohitra mihitsy i dada fa tsy nampoiziny hoe byciclette sy cake money, satroka sy kapa aigle d'or miaraka power bank sy ireo kojakoja ilainy any an-tanana no surprise niandry azy niaraka tamin'ny Valin-Tsoa😍🎉
Nataon'ilay zanany vavy ezaka daholo ireo zavatra tena ilainy any ambanivohitra sy niriany hatry ny ela...ndriii... izao tokoa no valin'ny kiry tamin'ny fampianaran-janaka 🥺✍️, niezaka nanao izay fomba rehetra hono i dada mba hahatongavany tany am-pita ka anjarany indray izao ny manantanteraka ireo mba nofinofin'i dada hatramin'izay 🥺❤️
Niezaka nitana ranomaso izy fa voadona ihany ny fony, nandre ireo teny mamin-janany tao anaty taratasy...
Araho kely anie e !
Valisoa by Valin-Tsoa