04/11/2025
👁️🗨️FOMBA IRAY HAHAFANTARANA NY ARETINA HOE MBOLA HO SITRANA NA TSIA👁️🗨️
✅Matetika dia maro ny olona mandany vola sy manao ezaka amin’ny fitsaboana ny marary iray, kanefa tsy azony antoka raha ho sitrana tokoa izy na tsia.
⏩Ity misy fomba tsotra iray ahafantarana izany mba hahafahana mandray vahaolana hafa :
👉Mividiana nofon-kena omby dia koseho amin’ny molotry ny marary kely fotsiny,avy eo omeo alika.
😃Raha hohanin'ilay alika ilay hena dia aza manahy fa ho sitrana soa aman-tsara ilay marary.
😱Fa raha tsy hohanin'ilay alika kosa ilay hena dia sarotra be ny ahasitranana azy ka mila fitsaboana amin'ny fomba hafa satria mety tsy ho aretin'ny vatana ilay izy fa mety ho avy amin'ny fanahy ka fitsaboana ara-panahy no fanafana hahasitrana ilay aretina.
✅Ity ary no vaha olana harosoko manoloana izay :
🪷DINGANA 1 :Fanadiovana ara-panahy
👉Atao amin’ny marary mba hanalàna ny loto ara-panahy sy ny “fatorana” manakana ny fahasitranana.
👉Mitadiava ravina 7 karazana (ravintsara,hasina,fotsy avadika,tsy lavondriana,betsimihilana,velomiriorio, tanamasoandro dia).
👉Ataovy ao anaty rano mangatsiaka, ary ampio sira vaingany miisa 12 sy tantely kely ary havereno ity teny ity:
🌿Aretina mamatotra, fady manohitra, ody manindrona,miala amin’ny vatana sy fanahin’i (anaran'ilay marary),tsy misy mahery noho ny fahasoavana.
👉Tondrahina amin’ny vatana na ampiasaina amin’ny fandroana amin’ny andro Alakamisy na Alahady maraina ilay rano avy eo
🪷Dingan 2 :Fanolorana sorona ho famelan-keloka
👉Indraindray,misy fanahy tezitra na razana mangataka fiadiana.
👉Manao fomba fomba kely: atody 3, ronono,vary akotry,tantely,ary labozia fotsy 1.
👉Apetraho manoloana hazo aviavy ireo fitaovana rehetra ireo ary areheto ny labozia,araraho ny vary akotry,vakio eo ny atody, araraho eo ny ronono ary havereno ity teny ity:
🌿Razana sy Fanahy mahery,raha nanao fahadisoana i(anaran'ilay marary) aoka halefaka,raiso ireto fanatitra ireto ho mariky ny fihavanana sy ny fanafahana.”