Anjara Mahatoky

Anjara Mahatoky Amour

🔥SILAMPANAHINY HONO AHO FA....🔥💢💔Efa lasa aho, efa nisaraka izahay, efa eny antanan olonkafa aho vao tsapany izay! 🛑💔Iza...
04/08/2026

🔥SILAMPANAHINY HONO AHO FA....🔥
💢💔Efa lasa aho, efa nisaraka izahay, efa eny antanan olonkafa aho vao tsapany izay!
🛑💔Izay vao mokomoko namerina ahy izy! Nanao tsy nataony rehetra tany aloha tany ary nampanatena fiovana! 🛑💢
💢💔INDRISY NEFA EFA OLONKAFA NO TONGASAINA ALOHANY! 💢💔
💕Tsy ho ianao anie izany fa ianao ho anisan ireo olona ho tonga saina aloha💕

💕Fanampiana kely ho anao lehilahy!💕Ny vehivavy efa tsy manome fanazavana sy mitarika resaka be aminao intsony fa manesik...
05/07/2026

💕Fanampiana kely ho anao lehilahy!💕
Ny vehivavy efa tsy manome fanazavana sy mitarika resaka be aminao intsony fa manesika Fifonana sy Fialantsiny ary mandray ny Fahadisoana rehetra ho azy manokana!?💔
💕Efa fanairana Goavambe ho anao izay f' efa manomboka kivy sy reraka ary tapodalankaleha aminao izy izay!💕

💕Ny vehivavy, na dia mpanakarena milliaridera aza izy, zavadehibe aminy foana ny fanomezana omenao vadiny na olotiany az...
22/06/2026

💕Ny vehivavy, na dia mpanakarena milliaridera aza izy, zavadehibe aminy foana ny fanomezana omenao vadiny na olotiany azy!💕

💕TIAVO IZY DIENY MBOLA TIA ANAO💕💕TIAVO IZY DIENY MBOLA MITADITADY ANAO!💕 F' Aza avela ho tonga amin ity stade ity ny fia...
24/05/2026

💕TIAVO IZY DIENY MBOLA TIA ANAO💕
💕TIAVO IZY DIENY MBOLA MITADITADY ANAO!💕 F' Aza avela ho tonga amin ity stade ity ny fiarahanareo roa!
💕Nanao izay azony natao taminao izy mba hapety ny fiainamptiavanareo fa ianao nefa mijohy ny fiainanao isan andro eny ihany dia izy ataonao ankilabao! 💕
tampoka, niova ny hafatra nalefany hoe, "aok izay fa vizaka aminao ny foko" vao hikoropaka ianao! 🥺💔

Misy hisainana be ity fa raha mandalo eto ianao dia mba vakio ity!
12/05/2026

Misy hisainana be ity fa raha mandalo eto ianao dia mba vakio ity!

Tantara kely
“Tsy rava ny tokantranoko… fa saika rava ny foko.”

Tsy hoe tsy mifankatia izahay mivady…
fa nisy zavatra nanomboka nampangatsiaka ny fitiavanay tsikelikely.

Tsy nisy ady be.
Tsy nisy daroka.
Tsy nisy fitaka.

Fa nisy fahanginana.

Rehefa hariva, samy reraka.
Samy tsy te hiresaka intsony.
Samy milaza hoe “aleo rahampitso.”

Indray andro aho, nipetraka irery teo am-pandriana…
nandinika an’ilay efitra,
nefa toa tsy nisy fiainana intsony tao an-trano.

Tonga ilay vadiko, tsy niteny be…
fa naka “chargeur”, naka “téléphone”…
dia niarina handeha hivoaka.

Dia niteny aho hoe:

“Ho aiza indray ianao?”

Tsy tezitra izy…
fa namaly fotsiny hoe:

“Mbola tsapanao ve hoe mpivady isika?”

Tsy nahateny aho.

Satria marina ny navaliny ahy…

✅ Miray trano izahay… nefa tsy misy fitiavana tsapa intsony.
✅ Mipetraka an-trano iray… nefa toa vahiny.
✅ Mifampiresaka… fa tsy mifandray ny fo.

Tamin’io fotoana io aho no nahatsapa fa…

Indraindray tsy ny fahasarotana no mandrava tokantrano… fa ny tsy karakaraina.

Dia nisy zavatra tsy nampoiziko nitranga.

Niverina izy, nitondra zavatra kely:
taratasy iray.

Hoy izy tamiko:

“Nanoratra aho… satria rehefa miteny aho dia toa tsy heno.
Fa ity no tiako ho fantatrao:
Tsy te hiala aho… te hiverina.”

Teo aho vao nitomany.

Satria vao mainka hitako hoe…

✅ Harena be ny manana vady mbola te hanarina, fa tsy te handositra.
✅ Harena be ny fitiavana mbola miezaka, na dia maratra aza.
✅ Harena be ny fiverenana amin’ny “isika”, fa tsy miaina amin’ny “izaho”.

Ary teo no niverina niaraka nivavaka indray izahay 2 tamin'ny vavaka tsotra hoe:

“Jesosy ô… avereno ny fitiavanay roa ato antokatranonay mivady ity.
Ampianaro izahay hifampiresaka indray, hifamela, hifankahazo.”

Tsy hoe tonga dia “perfect” tampoka ny zava-drehetra…
fa hatramin’io andro io,
tsy dia ela intsony ny fahanginana ao an-tranonay.

Fa isaky ny manomboka mangatsiaka izahay,
dia tsaroanay hoe:

Tsy ady no mandresy… fa fitiavana tarihin’i Jesosy.

📌 Hafatra ho an’ny mpivady rehetra:
Aza avela ho fomba fiainana ny “tsisy resaka”, ”ny tsy misy fotoana niarahanareo mivady"
Aza miandry ho tara vao miverina mifankatia.

✅ Mentionnéo ny vadinao hoe:
“Aza matahotra… mbola tiako foana ianao, ary mbola hiady ho an’ny tokantranontsika aho.”

Tokatrano sy Fanambadiana araka an'Andriamanitra

Tahian’Andriamanitra mitafotafo tompoko.

💕Rehefa Mitia olona ianao an dia afaka Mitia amin ny FO manontolo KANEFA  AZA Adino koa ny MISAINA  TSARA! 💕
11/05/2026

💕Rehefa Mitia olona ianao an dia afaka Mitia amin ny FO manontolo KANEFA AZA Adino koa ny MISAINA TSARA! 💕

💕Amin izao vaninandro izao, be fahoriana sy mamizaka atidoha be! fa ny FITIAVANA sy ny  FIFANKATIAVANA irery ihany NO RE...
08/05/2026

💕Amin izao vaninandro izao, be fahoriana sy mamizaka atidoha be! fa ny FITIAVANA sy ny FIFANKATIAVANA irery ihany NO REFUGE TSARA INDRINDRA ho antsika! 💕
💕Mifankatiava tsara hianareo roa tiako lazaina! 💕

💕Amin olona afaka ahitsinao amin ny Fahadisoany sy afaka manitsy anao amin ny fahadisoanao hiarahana an! any an! Ny mifa...
21/04/2026

💕Amin olona afaka ahitsinao amin ny Fahadisoany sy afaka manitsy anao amin ny fahadisoanao hiarahana an! any an! Ny mifanohitra amin izay manko dia ho sarotra ihany!💕

💕Aza manao izay mampalahelo ny olontinao izany 💕Raha sendra nisy izay dia mahaiza manambitamby an! 💕
29/03/2026

💕Aza manao izay mampalahelo ny olontinao izany 💕
Raha sendra nisy izay dia mahaiza manambitamby an! 💕

💕Taloha rehefa misy zavatra simba dia hamboarina, fa amin izao, avy dia hariana na soloina!?🤔😭💕Aza zatra manolonolo olon...
17/03/2026

💕Taloha rehefa misy zavatra simba dia hamboarina, fa amin izao, avy dia hariana na soloina!?🤔😭
💕Aza zatra manolonolo olontiana izany fa aleo miala nenina sy manampy azy ho tonga olona tsara! 💕

Address

Antananarivo

Telephone

+261345036588

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Anjara Mahatoky posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to Anjara Mahatoky:

Shortcuts

Share