15/12/2021
🚫Ratsy sy zava-doza ny toe-tsaina ezahana ampitaina amin'ny resaka "Entrepreneuriat" fa ny "entrepreneuriat" dia tena tsara sy tokony atao...🚫
Fantatrao ve ny capitalisme? Eny fantatrao izany e, amerikanina no anisany tena nivoy izany...Ny famaritana tsotsotra dia hoe "Ny olombelona mitrandraka olombelona hoan'ny olombelona." Ary izay mihitsy hoy i Hobs hoe "C'est l'exploitation de l'homme par l'homme pour l'homme."
Ary ny fandraharana amin'ny endriny tandrefana dia tena voizin'io fomba fijery tena vetaveta io.
💢Inona hono no ampianarina anao mandritran'ny 5 taona eny amin'ny anjery manontolo ry mpianatra mpandraharaha???? Anao profits, haka tombony hoanao...Ary ampianarina mikajy ianao mba tsy ho faty antoka...Tsy dia miraharaha ny hafa...Aiza moa ny vary eny amoron-dalana no tsy asian'ny mpivarotra Karibônetra beeee, kiii. Satria izay ilay rivotra capitaliste, rehefa mahazo tombony aho na potika aza ny vavonin'ialahy dia vidio ihany ny variko.....
❌Fady mihitsy tena mifoha ny fady raha izay ilay toe-tsaina...Lasa mitovy amin'ilay mpanendaka iny ihany ianao fa ianao fotsiny manana diplôme...
Mila miverina amin'ny soatoavina, ny tsara efa nakasitrahana teto isika Gasy sy tanora bobaka te ho mpandraharaha ireo aloha.
💡Ahoana ny atao ?
-Tsy réseautage sy relation fotsiny no iantsoana azy dia tsy hoe rehefa business ihany vao mihavana, manjary lasa mihavana hoan'ny fitrandrahana olomebelona eo lisany. Fa antsoy hoe "FIHAVANANA". Mihavana dia tsy hoan'ny Business ihany, azo ve ? Fa tena mihavana...ary ao anatin'izay no hisy ny fandriampahalemana anaty amin'ny samy mpihavana. Fa diniho fa ny 99,99% n'ny gasy tsy mahatoky gasy intsony intsony.Tsy mandry fahalemana intsony satria adino ilay soatoavina FIHAVANANA.
-Tsy partenariat no iantsoana azy fa FIRAISANKINA, izay tsy iza fa zanaky ny fihavanana. Tsy hainao izany ny hiray hina amin'ny tsy hananao fihavanana eee😘
-Tsy mifantoka amin'ny profits ary tsy tanjonina ny profits fa atao moyen na entimanana entina manasoa ny fiarahamonina rehetra, eny fa ny vazah sy vahiny dia mpiaramonina fa sao mpanavakavaka volok'oditra eo.
-Tsy hoe RSE sy développement durable no hirairay sy hoe zavatra tsy maintsy atao fa tena hiainana. Ohatra nohon'ny fanajana ny lalan'ny TODY hoan'ny taranaka ilay tena antony ambolena hazo sy anaovana développement durable fa tsy hoe dossiers tsy maintsy fenoina sy zavatra tsy maintsy atao.
😘Be dia be...Ny mbola azo resahana, toetsaina mila ovaina sy zavatra mila ampatsiahivina fa eto isika ahita azy...Zarao sy aparitaho fa ianao koa tomponandraikitra.
Heriniaina RATSARANDRO
Dinik'Tsarandro