26/03/2026
MIRACLE SPÉCIAL - Fotoanan’ny fahagagana sy fanasitranana ary fanafahana. Fotoana lehibe hamangian’Andriamanitra ny fiainanao indray ary fotoana hanandratrana Azy miaraka amin’i Toky Narindra
Zavatra roa no tena nataon’i Jesosy tamin’izy teto an-tany :
Ny voalohany dia ny fizarana ilay tena fitiavana ary
faharoa dia ny fanasitranana ny marary ary fanafahana ireo voafatotra.
Tiako ho azonao fa tsy tamin’ Izy teto ihany no manao an’izany fa na hatramin’izao.
Jesosy tsy niova omaly sy anio ary mandrakaizay, Sitrapony ianao ho salama ara-tabana , ara-panahy, ara-pihetseham-po .
Manan-danja Aminy ianao sy izay mahakasika anao rehetra, mety efa nandramanao daholo izao karazan-zavatra izao mba hanafaka anao amin’ireo mamatotra anao, mety efa nihinana ireo karazana fanafody sy nanao ireo karazana traitement maro ianao mba ho sitrana, mitady fomba rehetra ianao mba hahombiazanao, hampandresy anao ary izay ny antony ity fotoana ity satria Andriamanitra te hiditra an-tsehatra ao amin’ny fiainanao.
Ao amin’i Jesosy no tena fiainana ary Izy no afaka manome an’izany. Ka aza avela hisy hanakana anao fa sokafy ny fonao ho azy dia ho hitanao fa tsara Izy, be fitiavana, mahari-po ary be famindram-po.
Taomy ny marary (na inona na inona aretiny), taomy ny ankohonanao, taomy ny mpiara miasa, taomy ny mpiara mianatra fa fihaonana iray Aminy dia ampy hanova ny tantaram-piainanao.
Tsy misy vidim-pidirana
Indentifieo anaty commentaire ny namana tianao hiaraka handeha aminao ary ento izy.
TONGAVA AMIN’NY MAHA IANAO ANAO.
Fa tsy afaka tsy hiova ny fiainanao
Tsy misy vidim-pidirana
Info-line: +261385733010
Ou viens directement en message privé
⭕️MISY NY BUS MITATITRA MODY.
(Andoharanofotsy, Ambohimanarina-Ivato, Sabotsy Nahamena, Itaosy, Ambohimangakely, Soavimasoandro)
📌Mila misoratra anarana amin’ny mp izay handeha bus rehetra (Anarana feno+Axe andehanana)
📍REX ANDOHAN’ANALAKELY