01/12/2025
‼️Manana fahasarotana amin'ny fampandraisana andraikitra ny zanakao ve ianao ?
Vakio hatramin’ny farany ity fa hanampy anao.
Anisan'ny antony mahatonga ny fahasarotana ireto :
👉Mampifangaro ny fandraisana andraikitra amin'ny sazy
Ny andraikitra tokony atao dia tsy tokony ho atao sazy mihitsy. Ny sazy dia endrika fangejana sy fanerena ka kilasian'ny saina ho "danger" satria mifanohitra amin'ny fahafahana.Ka izay andraikitra atao sazy dia mahatonga hakamoana sy tsy faharisihana amin'iny.
👉Tsy mifanaraka amin’ny taonany ny andraikitra omena azy
Raha asa lehibe loatra no omena zaza kely, dia mazava ho azy fa ho tojo fahasarotana tsy hahitany vahaolana izy ka hitondra fahasorenana ho azy izany, ka mety hahatonga fahatsapana ho tsy mahay zavatra ka hisy fiantraikany amin'ny fahatokisan-tena.
Raha asa tsotra loatra ho an’ny zaza lehibe kanefa hitany fa misy tokony ho vitany anefa tsy hampanaovina azy mihitsy dia mahatonga fahatsapana ho azy izany fa tsy atokisana izy ka manimba ny fahatokisan-tena ihany koa.
👉Tsy mbola mazava ny votoatin’ny “andraikitra”
Eny “Asa tokony hatao”, “fanampiana an-trano” ny fampandraisana andraikitra ary mety ho “fampiharana fitsipika hifampitondrana ao an-trano ” ny fandraisana andraikitra.
Saingy raha ho an'ny ankizy aloha ny tena antony hanomezana andraikitra azy dia fampivelarana ny fahaleovan-tena sy fahaiza-miaina, ary indrindra fanomezana lanja azy ho tena isan'ny ankohona fa tsy asa mavesatra.
Ka tsy tokony ho geja ny amin'ny hoe "Asa tsy maintsy atao" na "fampiharana fitsipika hifampitondrana" loatra no hitondrana azy raha tiana hipetraka tsara ao amin'ny beazina ny lanjan'ny fandraisana andraikitra.
♥️Ny fandanjalanjana izany rehetra izany no ianarana ao amin’ny MASTERCLASS FAKA. Hianatra ny fomba hanomezana andraikitra tsy ho geja, fa ho fitiavana sy fananganana fahatokisan-tena isika, mamela hivoatra sy mitondra fiadanana eo ny fiainan’ny ankohonana.
👉 Raha vonona ianao hianatra, hanomboka fiovana, dia misorata anarana amin’ny MASTERCLASS FAKA.
😍Mbola ao anatin'ny FIHENAM-BIDY 50% isika izao, 63.900ar monja (raha 127.800 ar no vidiny normal) hatramin'ny 19 Desambra 2025 ihany anefa na rehefa feno ny toerana.
Eny voafetra ny toerana🏃♂️🏃♀️🏃
Soraty ao amin'ny commentaire ny hoe MASTERCLASS FAKA raha hisoratra anarana na mila ny andinindininy ianao. Afaka manoratra ao amin'ny hafatra miafina avy hatrany ihany koa ☺️.
Ny ATRIKASA FAKA kosa dia MAMAIMPOANA izay mifameno amin'ity MASTERCLASS FAKA ity.Arahana mandritra ny 5 andro ny 20 hatramin'ny 24 Desambra 2025.
Ao amin'ny commentaire ny lien an'ny groupe hanarahana azy sy ny lien misy ny fanazavana momba azy.
Miora Rakotozafy Eveille à la Paix
"Sarobidy ny fahazazàna"