30/07/2025
AFERA B777:
▪️Nanomboka namoaka lahatsoratra ny presse spécialisée tany ivelany nampahafantatra fa nisy fiaramanidina 5 777 izay nahazo laharana vonjimaika avy amin'ny Aviation Civile de Madagascar - ACM kanefa niafara tany Iran
▪️Nikoropaka ny vao nahita an'izay ka nanao fanambarana fa efa tsy manan-kery intsony ny taratasy vonjimaika nataony izay nampisaina namindrana ireo fiaramanidina ireo avy any Azia nakany Iran
▪️Nangataka fanazavana maika tamin'ny ACM ny Ministère des Transports et de la Météorologie de Madagascar
▪️Namaly ny ACM fa noho ny baiko manokana avy amin'ny Minisitra no nanomezana ireo laharana vonjimaika ireo rehefa avy nanatanteraka ireo lamina teknika rehetra ry zareo ary nahafantatra antsakany sy andavany an'izany ny Minisitra
▪️Nanao valan-dresaka tamin'ny mpanao gazety niaraka tamina tompon'andraikitra lehibe maromaro ny Minisitra nilaza fa taratasy hosoka no nampisaina ary efa nangataka fanadihadiana ny fitondram-panjakana ka efa misy mpandraharaha roa, gasy sy vahiny, izay karohana ankehitriny
▪️Nolazaina fa misy mpanolo-tsaina manokan'ny Filohan'ny Antenimierandoholona Madagasikara anisan'ireo olona karahona
▪️Nolavin'ny Filohan'ny Sénat izany filazana izany
▪️Nisy Filankevitry ny Ministra manokana tokony nivory ny 29 jolay fa nofoanana, fa nisy didim-panjakana manokana nivoaka ny harivan'iny nanafoana ny fitendrena ny Ministry ny Fitanterana ka ny Praiminisitra no misolo toerana azy vonjimaika
AZO INOANA VE FA FANAPAHAN-KEVITRA MANOKANA AVY AMIN'NY MINISTRA TEO ALOHA IRERY NO NANOMEZANA LAHARANA VONJIMAIKA IRETO FIARAMANIDINA IRETO?
RAHA NY RESAKA MANDEHA DIA TAFIDITRA TAO TOKOA NY MINISTRA TEO ALOHA FA TAFIAKATRA HATRANY AN-TAMPON'NY FITONDRANA NY FANAPAHAN-KEVITRA
TSY AZO HEVERINA FA AFAKA NANDROSO TAMIN'NY FANDEFASANA TEKNISIANA ARAKY NY FANAMBARANA SY NANOME LAHARANA VONJIMAIKA NY ACM RAHA TSY NAHAZO FANKATOAVANA SY/NA BAIKO AVY ANY AMBONY INDRINDRA
METY HO RATSY HO AN'NY SEHATRA FITANTERANA AN'HABAKABAKA ETO MADAGASIKARA NY VOKATR'ITY AFERA ITY SATRIA TSY FANAJANA NY SAZY IRAISAM-PIRENENA MIHATRA AMIN'NY IRAN KA HO LASA MPIRAY TSIKOMBAKOMBA AMIN'NY MPANAO RATSY SY NY TSY MANARA-DALÁNA NY FIRENENA MALAGASY FA TSY MIJANONA EO ANIVON'NY ACM FOTSINY AKORY
EZAKA LEHIBE NO NAFAHANA NAMOAKA AN'I MADAGASIKARA TAMIN'NY "ANNEXE B" TAMIN'NY 2015 KA RAHA HO AMPIDIRINA "ANNEXE A" DIA METY TSY HISY FIARAMANIDINA VAHINY INTSONY HAHAZO ALALANA HIPETRAKA ATY MADAGASIKARA
METY HISY SAZY HAFA KOA HIHATRA AMIN'NY FIRENENA, TSY EO AMIN'NY LAFINY DIPLOMATIKA FOTSINY, FA ARA-EKONOMIKA KOA KA TSY HO ZAKAN'NY FIRENENTSIKA IZAY EFA MANANA TOE-KARENA MAREFO IZANY
IZA DAHOLO IREO TOMPON'ANDRAIKITRA A EO ANIVON'NY FITONDRAM-PANJAKANA IZANY NA IVELANY IZAY VOAKASIKA KA MILA MIZAIKA NY FANAPAHAN-KEVITRA NALAINY SY MAKA NY ANJARAN'ANDRAIKINY?