24/09/2025
FOIRE ET FESTIVAL REGAN 3e EDITION
Raikitra indray e !
Hizotra eny amin’ny Stade Barea Mahamasina amin’ny zoma 26, sabotsy 27 ary alahady 28 septambra izao ny Foire et festival Region Analamanga, andiany fahatelo. Ao anaty lohahevitra hoe : Analamanga faritra lovainjafy. Hanana toerana manokana ireo orinasa misehatra amin’ny fanodinana fako sy ny ministeran’ny tontolo iainana sy fandrosoana lovainjafy izay haneho ireo vokatra sy fomba fanasokajiana ary fanodinana ireo fako.
Tranoheva manodidina ny 150 no hisy eny, izay hanehoana sy hivarotan’ireo distrika 13 mandrafitra ny Faritra ireo zavabitany avy sy ny mampiavaka azy, miaraka amin’ny fanentanana mandritra ny tontolo andro. Hiavaka tsy toy ny tamin’ireo andiany teo aloha ny carnaval amin’ny marainan’ny sabotsy 27 septambra. Isankariva dia hisy fampisehoana hiarahana amin’ireo mpanakanto kalaza toa andry Iraimbilanja, Mahaleo taranaka, Stephanie, Tempo Gaigy, Ljo, Voninavoko azy ireo mpanakanto arapilazantsara.
Manohana ny Faritra Analamanga ny Yas, ny Ministeran’ny tontolo iainana sy fandrosoana lovainjafy, ny SMA ary ny fikambanana GADAEM.
FaMi TV & FM