09/06/2026
Raim-pianakaviana no manoratra, tena fatra-mpankatoa Ray aman-dreny aho, ary ny karamako sy ny harin-tabako rehetra dia nomeko azy ireo avokoa talohan'ny nanambadiako...
Nony nanambady aho dia mazava ho azy fa niova izany rehetra izany, lasa mankany amin'ny vadiko izay nisasarako ary izy no manan-jo amin'ny vola rehetra ao an-trano...
Tsapako ny fitsitsiany ao an-trano na dia azo lazaina ho tsara karama aza aho, 05 taona nitambarana dia nahazo fiara sy nahatsangana trano sahady izahay mivady ! 😱, Izay tena tsoriko fa raha izaho Dia tsy hahavita an'izay mihitsy fa noho Io vadiko Io manolo-tsaina isan'andro, ny fihafiana iainanay dia nahazo an'izay izahay !
Midera tena midera ny vadiko aho, ary tena tsinontsinona eo anatrehany na dia ekeko aza hoe mikarakara tokantrano Io vadiko Io fa tsy mampidi-bola!
Tao anatin'izay 05 taona izay anefa dia fanenjehana, fankahalana, famporisihana ahy hisaraka, sns...foana no iainan'io vadiko io tamin'ireo ray aman-dreniko sy iray tampo amiko 🥺💔...
Fa hendry moa ny vadiko dia tsy mamaly, izahay anefa ao anatin'izany tena manome vola ihany isam-bolana ho an'i dadanay sy mamanay na ny avy amiko na ny avy amin'ny vadiko...
Saingy, ho an'ny Ray aman-dreniko, tsy mba mahafaly azy izany fa vao maika aza esoeso sy fanenjehana no azoko 💔
Lazainy fa "angaha izahay tsy ray aman-dreny niteraka no ampitovizana amin'ny Ray aman-drenin'ny hafa? Angaha izahay raha sahirana dia ambanimbaniana amin'ny ambikambim-bola?" ...
Zah moa tsy mamaly izany satria, tsy te hiady amin'ny ray aman-dreniko aho moa tsy fombanay mivady izany !
Fa tamin'ity indray mitoraka ity an🥺, tena tsy zakako intsony ka tafamaly aho, nividianako iphone 17 pro max ilay vadiko fa tsapako tena miezaka izy mikarakara ahy sy ny tokantranonay ary miezaka hatrany mba hampandroso anay...
Kinanjo ny andron'io anniversairen'ny vadiko Io no notabatabain'izy mianakavy izahay, lazainy fa "zandrinao reny firy taona, tsy nividiananao na dia ordinateur iray amin'ny 02 hetsy aza, izay Kiala tsy vanona vao Tonga vao haingana Io no ividiananao iphone 17 pro max, izahay tsy misakafo nefa iphone 17 pro max no vidianao ho an'ikala matesa faingana Io! Sady nivatravatra izy ireo ka tafamaly aho hoe "efa bé kosa izay vitako izay, fa ianareo no tsy nahay nitantana ary efa manambady aho ka efa manana ny fiainako anie ry dada e! Sady izy no nahatoy izao anay, niaro ny vadiko aho fa vao maika niakatra ny feon zareo sady nitomany moa i mama no niteny hoe "farany Androany no handehanako eto an-tranonao, aza mandefa vola aty intsony ary raha mbola znaako nefa nandatsaka ny ranomasoko tahaka izao, tsy hihoatra aiza akory!"...
Tena malahelo aho reto a! Mandaitra ve ny ozona? Tena diso ve zahay? Nefa anie toa miezaka zah manao izay mety ihany e! Mankasitraka tompoko 🙏🏼