Jacquis Randria

Jacquis Randria 🎧 EP Jacquis Randria | Écoutez maintenant 👇

🔥 https://open.spotify.com/album/1JkMTVh5zP4ruXedY6qwED?si=v9ja1uBESbmcPwA9vK1o5g

Nisasaka indray ity ny taona🤔Inona avy ny zavatra tsara vitanao tamin'ny fiainanao na ny olon-tinao, ny havanao sy ireo ...
14/07/2026

Nisasaka indray ity ny taona🤔

Inona avy ny zavatra tsara vitanao tamin'ny fiainanao na ny olon-tinao, ny havanao sy ireo namanao??? sa sanatria ny mifanohitra amin'izany no betsaka vitanao???😩😒🥹

Mahaiza manao jery todika foana eo amin'ny fiainana fa aza variana ny anio fotsiny🙂 mbola misy henim-bolana manaraka hahafahanao manova famindra raha tsapanao fa nisy zavatra tsy nety, nampalahelo , nanimba , nahatezitra ny hafa nataonao.Ary aza adino fa na tsara na ratsy ny zavatra ataonao dia miverina sy mivaly aminao eo foana io amin'ny fotoana tsy hampoizinao izay ilay hoe : " Mbola ho avy ny andro hivatsy ny famerim-bolanao amin'ny ora tsy ampoizina "😬

Mirary soa daholy ry reto a! Ampitiavana be foana♥️🙏

🔥MBOLA ETO🔥

Amin'ny maha olon-tsotra sy olom-pirenena ary amin'ny maha " MALAGASY" 🇲🇬ahy no hilazako fa Tsy hisy firenena afaka hand...
13/07/2026

Amin'ny maha olon-tsotra sy olom-pirenena ary amin'ny maha " MALAGASY" 🇲🇬ahy no hilazako fa Tsy hisy firenena afaka handroso mihintsy raha mbola higafy izay rafitra misy eto amin'ny firenenana isika izay mikasa hanao sy efa manao izany,anisany izany ity resaka hala-jaza sy halatr'olona tena efa tsy mety tapitra sy mampihorohoro ny vahoaka efa ho isa-minitra ity na tamin'ny fitondrana filoham-pirenenana nifandimby teto izany na amin'izao " Fanavaozana "izao. Ny hery lehibe indrindra ananan'i Madagasikara dia ny Malagasy mihintsy: rehefa mifampatoky, mifampihaino ary miara-misalahy.✊🙏

Amin'izao vanim-potoanan'ny fanavaozana izao,dia tokony hiavao manaraka izay ihany koa ny toe-tsaina sy ny fomba fisainana ary ny firaisan-kina ny " MALAGASY"🇲🇬 mba handresentsika ny fahantrana,ka mba hisian'ny fandriam-pahalemana satria mino aho fa maro ny fanamby mbola atrehina. Tsy voatery hitovy hevitra amin'ny zava-drehetra isika, saingy afaka mitovy tanjona: Madagasikara milamina, mandroso ary manome fanantenana ny taranaka.

Efa nambaran'ny Praiminisitra MAMITIANA RAJAONARISON fa anisan'ny adidy hiantsorohany ny fanamafisana ny fifampitokisana eo amin'ny vahoaka sy ny mpitondra. Izany dia tanjona izay mila ezaka iarahan'ny rehetra, satria ny fitokisana dia tsy avy amin'ny teny fotsiny, fa aorina amin'ny fifampiresahana, ny mangarahara ary ny asa hita maso, efa nolazainy ihany koa fa tsy hiraviravy tanana izy manoloana izao toe-draharaha mampihorohoro izao fa hijery akaiky ary anao izay hanafohanana aingana ny asa sy ny mpanao ratsy amin'ny resaka hala-jaza sy halatr'olona,ary mino sy manantena izahay vahoaka " MALAGASY"🇲🇬 fa tena handriampahalemana tokoa anie🤞

👉Koa aoka isika samy ho mpampiely hafatra mampiray🤝,hampiely vaovao tena marina sy misy ihany koa mba tsy ampy korontan-tsaina sy tsy mampisaraka antsika . Ny teny avoakantsika, ny fihetsika ary ny safidintsika isan'andro dia afaka manampy amin'ny fananganana firenena matanjaka kokoa.

👉Koa samia mandray andraikitra ary tompoko ary milaza amin'ireo mpitandro ny filaminana aingana sy mifanome vaovao tena marina rehefa mahita tranga na zavatra hafahafa ihany koa isika rehetra ,dia samia mitandrina tsara ihany koa ary aza atao mihintsy aloha ny mandeha irery amin'izao raha mbola azo atao.

Madagasikara dia antsika rehetra. Rehefa miray hina ny Malagasy, tsy misy fanamby tsy ho voavaha.✊✊✊


Tadidinareo ve izy???🤔😉😎Maromaro ihany ny " Film MALAGASY " 🇲🇬efa nisy azy ary nitondra tsikitsiky ho antsika rehetra fo...
12/07/2026

Tadidinareo ve izy???🤔😉😎

Maromaro ihany ny " Film MALAGASY " 🇲🇬efa nisy azy ary nitondra tsikitsiky ho antsika rehetra foana izy vao miteny fotsiny izy dia mampiomehy 😜🤣😆

Manomboka amin'ny " R " ny anarana hahafantaran'ny maro azy😉 mba lazao ao amin'ny commentaires hoe izay tena mahatadidy azy???👇

Tompony vola hono leiry e!💸



🇲🇬

10/07/2026

🔊🔊Etsy Kely angeee!!!🔊🔊

📌Ity misy vaovao tsara be ho anao

Ny Avo Realty

Izahay mianaka dia mirary soa  anareo mpanala BEPC rehetra 📚📖Enganie mba samy ho afaka daholo !🧑‍🎓Bonne chance rankizy a...
06/07/2026

Izahay mianaka dia mirary soa anareo mpanala BEPC rehetra 📚📖
Enganie mba samy ho afaka daholo !🧑‍🎓

Bonne chance rankizy a!☺️

🚨🚨 ALERTE 🚨🚨📣📣Manao antso avo anareo manam-pahefana isan-tsokajiny, ianareo fiaraha-monina, ireo Ray aman-dReny rehetra ...
03/07/2026

🚨🚨 ALERTE 🚨🚨

📣📣Manao antso avo anareo manam-pahefana isan-tsokajiny, ianareo fiaraha-monina,
ireo Ray aman-dReny rehetra sy izay mbola mahatsiaro-tena fa olombelona misy fanahy toa ahy !

Mirongatra loatra tato ho ato ny hala-jaza sy ny fakana an-keriny izay hita fa tena mampihorikoditra tokoa.🫨😬
Koa eto aho dia manentana sy miangavy ary milela-paladia amin-tsika rehetra izay mahatsiaro-tena ny maha sarobidy ny maha-olombelona mba tsy hiraviravy tanana fa handray andraikitra sy hanao andri-maso ary hijery akaiky ny menaky ny aintsika tsirairay avy. Ary hampandre ny manam-pahefana rehefa mahita tranga mampiahiahy eny amin'ny fiaraha-monina!

Andao hofongorina ireo tsy mataho-tody sy tsy misy fanahy fa tsy havela handripaka ny mpiray tanindrazana amintsika.
Mankahery amin'ny fo manontolo ireo Ray aman-dReny rehetra izay very zanaka. Mivavaka aho mba hahita ny rariny sy ny hitsiny izy ireo, ary enga anie ireo ankizy rehetra mbola tsy hita hiverina soa aman-tsara any an-tokantranony. 🙏

Mino sy manan-tena 🤞aho tompoko fa mba ho voarain'ny tsirairay ity hafatra ity.
Ka mba mangataka "PARTAGE" ho hitan'ny olon-drehetra.🥺🙏

Sahia miteny ! Sahia mijoro ! Aza avela hanjaka ireo mpanao ratsy !✊✊✊

🇲🇬
❤️🙏

02/07/2026

✨Fotoana iray ohatrany mba nahafinaritra ahy teto hoe mba " Escorté-na" hono aho fa andeha hanotrona an'ilay " FILM" Tandroka teto dia ohatrany sanganehana mitady hifamatotra izany ny tongotro🙊 fa tsy zatra izany loatra fa efa zatra mandeha irery foana😆😅😝🙈

🇲🇬
😎

Jacquis Randria

Tsotr'izao...🦁🔥✨MBOLA ETO❤️
30/06/2026

Tsotr'izao...🦁🔥✨

MBOLA ETO❤️



Dada sy Neny o!efa ampy taona ny tenako izao ka andeha hanompo ny tanindrazako amin'izay 🫡🇲🇬🎬🔥TOURNAGE FILM " Tandroka "...
29/06/2026

Dada sy Neny o!efa ampy taona ny tenako izao ka andeha hanompo ny tanindrazako amin'izay 🫡🇲🇬

🎬🔥TOURNAGE FILM " Tandroka "
✊🔥

👮


Sami Andria

Mbola ho avy ny hampisehoana azy any amin'ny faritra hafa sy manerana ny nosy fa misaotra mitafotafo an' ANTSIRABE ♥️🙏aloha fa tena nahafinaritra be ny fifanotronana no feno daholy na tao amin'ny valahara café na Tranompokonolona bisous be mifolitika daholy😘😍🥰

Mety amiko ve ny ohatran'izao ry zareo???😝😜🙈

Address

Antananarivo

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Jacquis Randria posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to Jacquis Randria:

Shortcuts

Share