20/06/2025
⌚ IREO FIALOHAVANA (anticipation) sy FEPETRA TOKONY RAISINA MANDRITRA NY RIRININA ⌚
Ny vanim-potoana ririnina dia anisan’ny mahasahirana ny Anthurium amin’ny fitombony, amin’ny famoahany felany ary indrindra eo amin’ny fahasalamany. 15 hatramin’ny 22 degré eo no tena tian’ireo mamintsika ireo 💐🌸🌺.
Raha ireo voninkazo arrivage ohatra dia mila mahay manao adaptation tsara isika satria dia ao anaty saison mafana ny toerana nanafarana azy ireny amin’izao ka tonga dia misy choc de temperature amin’ny hatsiaka, hivantany, indrindra ny alina. TSY OLANA ANEFA IZANY REHEFA TSARA FIOMANANA
- Manondraka rehefa vaky masoandro ihany : aorian’ny amin’ny 8 ora maraina eo no tsara ny manondraka amin’ny ankapobeny ao anaty ririnina. Atapy andro kely ny rano ialan’ny fanala be. Raha ny folak’andro dia tsara raha alohan’ny @ 4 ora no manondraka.
- Manondraka in dray isan-kerinandro ihany. Afaka atao atramin’ny 10 andro aza raha substrat mitazon-drano be no ampiasainao. Tsara ny mitsapa ny tany ka raha maina atrany @ 3 cm any ambany vao manondraka.
- Asiana sachet transparent ny sisiny na devant an’ny serre. Izany dia ialana ny rivotra maina sy mangatsiaka be. Ho an’ireo zanaboany mbola kely na zanany vao nafindra dia tena ilaina io hitazomana hafanana sy hampitombo azy.
- Manao rempotage raha tsy nahavita talohan’ny fahavaratra. Manampy vaingana tain’omby na engrais liquide raha toa tsy hanao rempotage.
- Tsy manasaraka na mamindra zanany rehefa ao anaty ririnina tanteraka 🙂.
- Raha tena mangatsiaka be (indrindra ho anareo fianarana, antsirabe, fandriana, manjakandriana sns) milatsaka be ny marim-pana dia tsara raha ampidirina an-trano izy ireo ny alina. Afaka mampiasa jiro mafana toa ireny atao ao @ fiompiana poulet de chair ireny fa kosa asiana elanelana 2 metatra fara fahakeliny.
-Asiana Akofa ( Apombo lahy ) , Na Mousse Maina , Faikam-pary miala maminy Tanteraka nohamainina ny eny ambonin'ny substrat mba Hampafan azy .
- Asiana Fongicide sy insecticide izy ireo ,atao isakin'ny tapa-bolana mandritra ny ririnina .
Izany dia hialana amin'ireo aretina toa ravina 🌿sy felana mikoritra .
MIRARY FAHOMBIAZANA TOMPOKO