Tsoa Wedding Planner

Tsoa Wedding Planner 💌Nous créons des mariages élégants et inoubliables💍. Un jour unique📆, une organisation parfaite.✍️

🕊️ Mandriam_piadanana   💔Anisan' ny Tena nampihaiky ahy namana ilay milalao piano 😞Mirary fiononana feno ho an' ny fiana...
10/08/2026

🕊️ Mandriam_piadanana 💔
Anisan' ny Tena nampihaiky ahy namana ilay milalao piano 😞

Mirary fiononana feno ho an' ny fianakaviana 🕊️
Mankahery ny fikambanana namolavola azy 🙏

🕊️ N'y Notiavina 💔

Tsy sanatria akory ka dia ho hanihany no betsaka fa hehy ho rakitra tadidy 🤝      " Ny teny no fitaovako, ny fahendrena ...
03/08/2026

Tsy sanatria akory ka dia ho hanihany no betsaka fa hehy ho rakitra tadidy 🤝








" Ny teny no fitaovako, ny fahendrena no heriko" ✍️

Ho an'ny Androm-pisaonam-pirenenaRy havana malala, ry Malagasy iray tanindrazana,Anio isika dia tsy mihaona amin'ny hafa...
24/07/2026

Ho an'ny Androm-pisaonam-pirenena

Ry havana malala, ry Malagasy iray tanindrazana,

Anio isika dia tsy mihaona amin'ny hafaliana, fa mihaona ao anatin'ny fanginana sy ny alahelo. Mavesatra ny fo satria misy fianakaviana namoy ny olon-tiany, misy ray aman-dreny very zanaka, misy zanaka very ray aman-dreny, ary misy nofy maro rava tao anatin'ny indray mipi-maso.

Ny ranomaso anio dia tsy an'ny fianakaviana iray ihany, fa ranomasom-pirenena. Rehefa misy Malagasy iray mijaly, dia tokony hiara-mijaly aminy isika rehetra. Rehefa misy aina iray very noho ny herisetra sy ny tsy rariny, dia maratra miaraka aminy ny fon'i Madagasikara.

Koa amin'izao Androm-pisaonam-pirenena izao, aoka isika hangina vetivety, tsy noho ny tsy fahitana teny holazaina, fa satria indraindray ny fanginana no teny lalina indrindra maneho ny alahelo.

Mivavaka isika mba hampionona ireo fianakaviana rehetra tra-pahoriana. Mivavaka koa isika mba tsy hiverina intsony ny herisetra sy ny habibiana, fa mba hanjaka eto amin'ny tanintsika ny fihavanana, ny rariny ary ny fandriampahalemana.

Ho an'ireo efa nandao antsika, mandria am-piadanana. Ho an'ireo mbola velona, enga anie izao alahelo izao hampiray antsika bebe kokoa fa tsy hampisaraka antsika.

Madagasikara iray ihany isika. Ny ratran'ny iray dia ratran'ny rehetra.

Mankasitraka antsika rehetra.🤝

🤝 Hisaotra anareo aho androany, mankasitraka Tompoko ✍️"Ny teny no fitaovako, ny fahendrena no heriko" ❤️
16/07/2026

🤝 Hisaotra anareo aho androany, mankasitraka Tompoko ✍️

"Ny teny no fitaovako, ny fahendrena no heriko" ❤️

👌 Ny kabary no haren_tsaina anisan' ny tena hamelomana indray ny lanjan' ny teny Malagasy 🇲🇬Raha tsy hiteny fotsiny aho ...
11/07/2026

👌 Ny kabary no haren_tsaina anisan' ny tena hamelomana indray ny lanjan' ny teny Malagasy 🇲🇬

Raha tsy hiteny fotsiny aho hoe ao dia ahitantsika : ohabolana, fomba fiteny, tenina Mpanoratra, hafatry ny Ntaolo, hainteny,.......

Tsiahy ihany ireo ✨ fa ho anao mitady mpikabary dia aza misalasala miditra hafatra miafina na miantso avy hatrany ny laharana eo ambany 🤝









📞 038 20 129 64
WhatsApp :038 20 129 64
E-mail :[email protected]

"Ny teny no fitaovako, ny fahendrena no heriko" ✍️

😥  ? 💔 Iza no ambadik'izao ranomaso tsy mety ritra izao?😢 Iza no manala ny tsikin'ny ankizy sy ny nofin'ny tanora?🤧 Misy...
08/07/2026

😥 ? 💔

Iza no ambadik'izao ranomaso tsy mety ritra izao?😢
Iza no manala ny tsikin'ny ankizy sy ny nofin'ny tanora?🤧
Misy fo mitempo ve ao an-tratrareo?💔
Sa efa maty ny feon'ny fieritreretana?😔

Amin'ny atoandro, misy olona lazaina fa alaina an-keriny.☀️
Amin'ny alina, misy tokantrano lasibatry ny fandrobana.🌑
Ny tahotra no efa mandondòna isan'ora,🤒
Ka ho aiza ary izahay no handositra?🙏

Tsy hivoaka ve izahay? Tsy hiasa? Tsy hianatra?👌
Hihidy an-trano isan'andro ve no anjaranay?😢
Dia iza no hanorina ny hoavin'i Madagasikara?👌
Raha ny tahotra no efa manjaka isan'andro?😢

Na ny maty aza tsy mba avela handry am-piadanana,⚰️
Misy fianakaviana mitaraina fa voahitsakitsaka ny fasan'ny havany.⚰️
Ho aiza ary izahay, ry tanindrazanay?🙏
Inona indray no mbola andrasan'ny ampitso?🤔

Fa atao inona loatra izahay? Biby sa olona?😡
Mahantra sa manankarena, samy mitovy ranomaso.😴
Ny hany fangatahanay dia fiainana am-pilaminana,🤝
Mba hody soa aman-tsara... sy hifoha tsy am-pahatahorana.🤧

✍️

06/07/2026

🤝 Mbola malalaka avokoa ny daty amin' ity herinandro ity 🇲🇬

🤣 Rehefa lasa fiainako mihintsy ilay tontolo dia tsy Tonga saina fa hay tokoa moa fetin ' olona ity ataoko 🤧🤭   tampoka ...
03/07/2026

🤣 Rehefa lasa fiainako mihintsy ilay tontolo dia tsy Tonga saina fa hay tokoa moa fetin ' olona ity ataoko 🤧🤭

tampoka ry namana ny amin' ny herinandro noho ny Antony izay tsy niankina tamin' ny Tenako 🤝 Koa manasa anao avy hatrany ary hiditra hafatra miafina na amin' ireto laharana ireto :

📞 038 20 129 64
WhatsApp : 038 20 129 64
E-mail :[email protected]











"Ny teny no fitaovako, ny fahendrena no heriko" ✍️

Address

Antananarivo

Opening Hours

Monday 07:00 - 19:00
Tuesday 06:00 - 19:00
Wednesday 06:00 - 18:00
Thursday 09:00 - 17:00
Friday 09:00 - 17:00
Saturday 09:00 - 17:00
Sunday 09:00 - 17:00

Telephone

+261382012964

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Tsoa Wedding Planner posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share

Category