Valiha

Valiha Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Valiha, Party Entertainment Service, Antananarivo.

MALAGASY VE IANAO???Malagasy Ray sy Reny.Ary mbola malagasy amin'ny fomba sy fiteny.Raha Malagasy ianao dia tsy azoko an...
25/02/2025

MALAGASY VE IANAO???

Malagasy Ray sy Reny.
Ary mbola malagasy amin'ny fomba sy fiteny.
Raha Malagasy ianao dia tsy azoko anafenana, fa ny lafimpiainanao no mila fanarenana.
Miarina ary ve isika??? Asa?
Izany indrindra no mahatonga ahy miteny hoe NAHOANA?
Nahoana....Mbola hitohy fa etsy kely aloha👇

ALERTE BE ITY 🛑🚫⚠️

Efa ho feno ny toerana koa araraoty fa mbola misy vitsivitsy ho anao ⏳

Sabotsy ho avy izao , fihaonana miavaka miaraka amin'i Dama 2025! 😍

Tsy efa ity mihitsy ve moa ilay nandrasana? Koa manasa anao àry ho avy

Fihaonana mivantana , hitondra fiantraikany ho an'ny tena , ho an'ny fiaraha-monina, ho an'ny faritra , ho an'ny Nosy , ho an'ny ny taranaka ...

Andao hiaina hatrany ilay antom-pisiantsika eto sy hamela fahatsiarovana miainga avy amin'ny "connexion" amin'ilay Nosy!

Toerana: RedZone Antanimora

Koa satria maro isika tena mbola connecté(e) tsara amin'ity Nosy ity ary te hametraka tantara mamy...dia nanao izay azonay atao izay mba ahafahany ankamaroatsika hanatrika ity hetsika miavaka ity.
Am-pitiavana be🙏
Andao hatsaraina ilay tantara🥰

- Pack 1 : 19.000 ar
- Pack 2 : 29.000 ar

Famandrihan-toerana :
☎ 032 22 759 75
☎ 034 52 553 84

Miavaka !Raha mahaliana anao Raha manana valiny amin'ilay fanontaniana ianao Raha te hihaona sy hifampizara amin'i Raiam...
16/02/2025

Miavaka !

Raha mahaliana anao
Raha manana valiny amin'ilay fanontaniana ianao
Raha te hihaona sy hifampizara amin'i Raiamandreny Dama sy ny mpiara-belona
Te hitondra anjara biriky
Hampiaina ny antom-pisiana,
Hampahatsiahy ireo andraikitra mila raisina...
Raha ity mihitsy ilay efa nandrasanao

Andao araraotina , manasa anao hanao famandrihan-toerana avy hatrany fa efa akaiky ny daty!

"Efa ela no nanomanako azy ity .... " hoy i Zoky/Raiamandreny Dama

Fihaonana hisy fiantraikany , hisy tohiny , Antenaina fa hifanindran-dalana indrindra amin'ny vinanao

MISOKATRA HO AN'NY REHETRA!

Sabotsy 01 Marsa 2025 miaraka amin'i Dama ao amin'ny Red Zone Antanimora! @9 ora maraina

Hisy fiaraha-miala hetaheta 🍹🍢
sy mari-pahatsiarovana 📸

Andao hitondra fihovitra na kely aza hampisy fiantraikany eo amin'ny fiaraha-monina , ny faritra ary ho an'ny Nosy misy antsika ! 🤝🏻

📩 Afaka miantso na mandefa hafatra miafina avy hatrany ho an'ny famandrihan-toerana sy ny fanazavana fanampiny!

📞 034 52 553 84
📞 032 22 759 75




Tratry ny taona 2025! 🎉🎉Andao hihaona sy hitafatafa amin'i Zokibe / Raiamandreny Dama amin'izao taona vao manomboka izao...
04/02/2025

Tratry ny taona 2025! 🎉🎉

Andao hihaona sy hitafatafa amin'i Zokibe / Raiamandreny Dama amin'izao taona vao manomboka izao 🎉🥂

Tsy vitan'ny mihaona fotsiny fa sady manararaotra mianatra aminy , korana miompana amin'ny lohahevitra hoe :

"Connecté(e) amin'ilay Nosy ve ianao?"

Fanontaniana lalina be ho an'ny mpiara-belona tsy an-kanavaka, indrindra ny tanora!

Hanomezana vala famaritana hitondra fiantraikany miabo , hiatrehana ny zava-misy iainantsika amin'izao , sao manko tsy tsarotsaroana hoe mitodika mankaiza tokoa moa?

Hoy Dama tamin'ny Valiha : "Efa ela no nanomanako azy io fa nahazo tombony ianareo hikarakara ilay hetsika ,
.. io no hiaingàntsika"

Torolalana ho entina miaina , ho entina ampitaina @ mpiara-monina , ny taranaka , ny mpiray tanindrazana ...

Andao àry, mariho ny daty : 01 Martsa 2025, Antananarivo

Aza miala lavitra fa ho ampitaina TSY HO ELA eto ny andinindininy misimisy kokoa

Tsy ho ela...



01/05/2023
MILAY AHO! 💪MPANDRESY AHO!💪MAHOMBY AHO!💪TAFITA AHO!💪Eny, Izay ilay izaho sy ianao kaFantatrao ve fa : Tsy misy olombelon...
27/09/2022

MILAY AHO! 💪
MPANDRESY AHO!💪
MAHOMBY AHO!💪
TAFITA AHO!💪
Eny, Izay ilay izaho sy ianao ka
Fantatrao ve fa :
Tsy misy olombelona ratsy izany
Tsy misy nateraka ny ho resy ihany koa
Tsy misy natao tsy hahomby
Ary tsy misy natao tsy ho tafita

Io sain-tsika io no tena voalohany mampilay antsika
Tandremo ary fa sao io saina io ihany koa no hamotika antsika.
Ny SAINA na " ESPRIT" no mampiavaka antsika amin'ireo zavaboary noharian'Andriamanitra hafa.
Manana tombony be dia be isika ny dikan'izay, satria nahoana?
Ny ankamaroan'ny zavatra iainantsika dia miankina be dia be amin'io saina io.
Na matanjaka toy ny ahoana ny vatana ka malemy ny saina dia tsy misy inona na inona ho vitanao.
Noho izany, kararakaro ny Saina, omeo sakafo izy, zaro mba hikarokaroka, zaro hisaina zavatra mahafinaritra, aza lotoana amin'izay zavatra tsy misy dikany.
Alamino tsara ny ao satria ny fahaizamandamina no antoky ny fandrosoana.
Mianga avy ao amin'ny sainao sy eritreritrao ny zavatra ho avoakanao avy ety ivelany.
==> IZAY VOLAVOLAN'NY SAINA ANIE NO LASA FIAINANA E!

Hizara zavatra afaka hanampy anao handroso sy hanana fiainana tsaratsara kokoa ary ho feno fiadanam-po izahay androany.

Andao hizatra hieritreritra zavatra tsara
Hiteny zavatra mahafinaritra
Isan'andro isan'andro, vao maraina vao mifoha sy alohany hatory ankotrany fotoananao sy Andriamanitra dia ireo zavatra eo ambany ireo no ataovy ao an-doha. Teneno mihintsy e!!! dia araho tsiky kely sy fanantenana, alaivo sary antsaina sahady ilay ianao tafita sy mahomby iny, ilay ianao nahatanteraka ny nofinofinao iny, ataovy toy ny hoe efa iainanao sahady ilay izy.
Raha vitanao izany, azoko antoka fa tsy maintsy hisy fiovana sy fivoarana be ianao.
Farafaharatsiny, efa manomboka mahay mijery zavatra mahafinaritra eny amin'ny manodidina, mahay mankasitraka, ary tena hiaina ampifaliana....
ANDRAMO ANGE E! 😁
Tsy maintsy ho tafita ianao 💪

Mirary soa e!
Tadidio fa milay ianao👊

Address

Antananarivo

Telephone

+261347483486

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Valiha posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share