20/08/2024
Araky ny efa nampanantenaina antsika fa manomana zavatra mahafinaritra be ho antsika indray ny Mozika Loge Nanisana amin'ny faran'ny herinandro izao, dia indro ary atolotra antsika:
Live Acoustique Miaraka amin'i MAMINA ny zoma 23 Aogositra ho avy izao. Sady manala ny havizanana kelin'ny rotoroton'ny herinandro no misakafo sy misotrosotro no sady ampireven'i MAMINA mozika milay be foana. :)
Entano sahady ary ny namana, miara-miasa, sy ny fianakaviana fa aty amin'ny Mozika Loge Nanisana no fotoanantsika amin'ny Zoma ho avy izao miaraka amin'i MAMINA.
Tsara ihany koa raha mamandrika ny toerana mialoha amin'ny MP na ny laharana voasoratra etsy ambany, satria maimaim-poana ny seho atolotra antsika fa ato antoeran ihany kosa isika no mividy ireo boissons sy tsakitsaky sahaza ho antsika. Manantena antsika rehetra ary !
Mankasitraka tompoko !
🎼 Mozika
🍻 Boissons
🍢 Brochettes
🍗 Grillades
Info : +261 38 15 103 74
Raha te hialavoly, tongava ety aminay, hikorana anaty hira sy mozika.
Ianao no tompon-tsehatra.